1 Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra hianao ralehilahy, na zovy na zovy hianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa hianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.

2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany.

3 Ary hianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra hianao?

4 Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?

5 Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra.

6 Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy;

7 ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;

8 fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,

9 eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa;

10 fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.

11 Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra.

12 Fa izay manota tsy nanana ny lalna dia ho very tsy manana ny lalna; fa izay nanota nanana ny lalna kosa dia hotsaraina araka ny lalna.

13 Fa tsy ny mpandre ny lalna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankat ny lalna no hohamarinina;

14 fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalna aza ireo, dia laln-tenany ihany;

15 fa ireo maneho ny asan'ny lalna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,

16 amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.

17 Fa raha saingy atao hoe jiosy hiana ka mitoky amin'ny lalna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao

18 ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra satria efa nampianarina ny lalna hianao

19 ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina,

20 mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria hianao manana ny lalna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:

21 ka moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao?

22 Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va hianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va hianao?

23 Hianao izay manao ny lalna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va hianao amin'ny andikanao ny lalna?

24 Fa araka ny voasoratra, dia hianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5).

25 Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankat ny lalna hianao; fa raha mpandika ny lalna kosa hianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.

26 Ary raha mankat ny fitsipiky ny lalna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?

27 Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankat ny lalna va hianao, izay mpandika ny lalna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza hianao?

28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana;

29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.
